Boky faharoan'ny Tantara 6:49
Dia nomen’ ny Zanak’ i Isiraely ho an’ ny Levita ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 6
Cross References
Exodus 29:33Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.
Exodus 30:1Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.
Leviticus 1:5Dia hamono ny zanak’ omby eo anatrehan’ i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’ i Arona, dia hanatitra ny rà ka hanopy azy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara, izay eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;
Leviticus 4:20Ary ny vantotr’ ombilahy dia hataony tahaka ny efa nataony tamin’ ny vantotr’ ombilahy izay natao fanatitra noho ny ota, toy izany no hanaovany azy; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho an’ ny olona, dia havela ny helony.
Leviticus 21:1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Mitenena amin’ ireo mpisorona, zanak’ i Arona, hoe: Aoka ianareo tsy hisy hiditra am-paty eo amin’ ny fireneny,
Numbers 16:16Dia hoy Mosesy tamin’ i Kora: Aoka ianao sy ny namanao rehetra ho tonga eo anatrehan’ i Jehovah rahampitso, dia ianao sy ireo ary Arona.