The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Tantara › Boky faharoan'ny Tantara 7 › Boky faharoan'ny Tantara 7:29

Boky faharoan'ny Tantara 7:29

ary teo amin’ ny sisin-tanin’ ny taranak’ i Manase dia Beti-sana sy ny zana-bohiny, Tanaka sy ny zana-bohiny, Megido sy ny zana-bohiny, Dora sy ny zana-bohiny Tamin’ ireo no nonenan’ ny taranak’ i Josefa, zanak’ Isiraely.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

And by the borders of the children of Manasseh, Beth-shean and her towns, Taanach and her towns, Megiddo and her towns, Dor and her towns. In these dwelt the children of Joseph the son of Israel.

In Context

28Ary ny taniny sy ny fonenany dia Betela sy ny zana-bohiny, ary any atsinanana dia Narana, ary any andrefana dia Gazera sy ny zana-bohiny ary Sekema sy ny zana-bohiny hatrany Gaza sy ny zana-bohiny;

30Ny zanakalahin’ i Asera dia Jimna sy Jisva sy Jisvy sy Beria; ary Sera no anabavin’ ireo.

Read all of Boky faharoan'ny Tantara 7

Cross References

Joshua 16:1Ary ny faritry ny tany azon’ ny taranak’ i Josefa tamin’ ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin’ i Jeriko, dia tao amin’ ny ranon’ i Jeriko atsinanana, ka hatramin’ ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan’ i Betela,

Joshua 17:11Ary Manase nahazo anjara koa teo amin’ Isakara sy teo amin’ i Asera, dia Beti-sana sy ny zana-bohiny ary Ibleama sy ny zana-bohiny ay ny mponina any Dora sy ny zana-bohiny ary ny mponina any En-dora koa sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Tanaka sy ny zana-bohiny ary ny mponina any Megido sy ny zana-bohiny, dia amin’ ny havoana telo ireo.

Judges 5:19Tonga ireo mpanjaka ka niady, eny, niady tao Tanaka ireo mpanjakan’ i Kanana, dia teo anilan’ ny ranon’ i Megido; Tsy nisy volafotsy azony ho babo.

1 Kings 4:12Bana, zanak’ i Ahiloda; azy Tanaka sy Megido ary Beti-sana rehetra, izay anilan’ i Zaretana, ambanin’ i Jezirela, hatrany Beti-sana ka hatrany Abela-mehola, dia hatrany ankoatr’ i Jokneama no azy.

2 Kings 9:27Ary nony hitan’ i Ahazia, mpanjakan’ ny Joda, izany, dia nandositra tamin’ ny lalana mankamin’ ny trano ao anatin’ ny saha izy. Ary Jeho nanaraka azy ka nanao hoe: Indry, asio koa iny; dia nasiany teo anatin’ ny kalesiny teo amin’ ny fiakarana ho any Gora, izay eo anilan’ i Jibleama, izy. Ary nandositra nankany Megido Ahazia ka maty teo.

2 Chronicles 35:22Fa Josia tsy nety nihodina niala taminy, fa nody olon-kafa mba hiady taminy ka tsy nety nihaino ny tenin’ i Neko, izay nampilazain’ Andriamanitra azy, fa nandeha hiady taminy ihany teo amin’ ny lohasahan’ i Megido.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Tantara 7:29

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Tantara 7:28Boky faharoan'ny Tantara 7Boky faharoan'ny Tantara 7:30 →