Boky faharoan'ny Tantara 8:33
Ary Nera niteraka an’ i Kisy; ary Kisy niteraka an’ i Saoly; ary Saoly niteraka an’ i Jonatana sy Malkisoa sy Abinadaba ary Esbala.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
34Ary ny zanakalahin’ i Jonatana dia Meribala; ary Meribala niteraka an’ i Mika.
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 8
Cross References
1 Samuel 9:2Ary nanan-janakalahy atao hoe Saoly izy, izay mbola tanora sady tsara tarehy, ka tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely, ary nanan-tombo noho ny olona rehetra hatramin’ ny sorony no ho miakatra ny halavany.
1 Samuel 31:2Ary ny Filistina nanenjika mafy an’ i Saoly sy ny zanany, ka matin’ ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak’ i Saoly.
2 Samuel 4:12Ary Davida nandidy ny zatovony, dia namono azy ireo, ka notapahiny ny tanany sy ny tongony, dia nahantony teo anilan’ ny kamory tao Hebrona. Fa ny lohan’ Isboseta kosa dia nentina ka nalevina tao am-pasan’ i Abnera tao Hebrona.
Acts 13:21Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.