Boky faharoan'ny Tantara 9:1
Dia nisaina araka ny firazanany avy ny Isiraely rehetra; ary, indro, efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany. Ary ny Joda dia nentina ho babo tany Babylona noho ny fahotany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Tantara 9
Cross References
2 Kings 24:14Ary nentiny ho babo ny tao Jerosalema rehetra sy ny mpanapaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra, dia olona iray alina, mbamin’ ny mahay tao-zavatra rehetra sy ny mpanefy koa, ka tsy nisy sisa navelany afa-tsy izay tompon-tany faraidina.
2 Kings 24:16Ary ny lehilahy mahery rehetra, dia fito arivo, ary ny mahay tao-zavatra sy ny mpanefy arivo lahy, izay samy mahery sy mahay miady, dia nentin’ ny mpanjakan’ i Babylona ho babo tany Babylona avokoa.
2 Chronicles 33:11Dia nentin’ i Jehovah hamely azy ny komandin’ ny miaramilan’ ny mpanjakan’ i Asyria, dia nosamborin’ ireo Manase ka nasiany masom-by sady nogadrany gadra varahina ary nentiny ho any Babylona.
2 Chronicles 36:18Ary ny fanaka rehetra tao an-tranon’ Andriamanitra, na ny vaventy na ny madinika, mbamin’ ny rakitry ny tranon’ i Jehovah ary ny rakitry ny mpanjaka sy ny mpanapaka, ireny rehetra ireny dia nentiny ho any Babylona avokoa.
Ezra 2:59Ary izao no niakatra avy tany Tela-mela sy Tela-harsa sy Keroba sy Adana ary Imera (fa tsy nahalaza ny fianakaviany sy ny firazanany izy, na avy tamin’ ny Isiraely, na tsia):
Nehemiah 7:5Ary nomen’ Andriamanitro hevitra aho hamory ny manan-kaja sy ny mpanapaka mbamin’ ny vahoaka, mba halaina isa araka ny firazanany avy ireo. Ary hitako ny taratasy filazana ny firazanan’ izay niakatra voalohany, ka izao no hitako voasoratra tao: