Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11:7
Ny lehilahy dia tokony tsy hisaron-doha, satria endrika sy voninahitr’ Andriamanitra izy; fa ny vehivavy kosa no voninahitry ny lehilahy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Fa tsy ny vehivavy no nihavian’ ny lehilahy; fa ny lehilahy no nihavian’ ny vehivavy.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 11
Cross References
Genesis 1:26Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany.
Genesis 5:1Ity no boky milaza ny taranak’ i Adama: Tamin’ ny andro namoronan’ Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin’ Andriamanitra no nanaovany azy;
Psalms 8:6Fa efa nataonao ambany kely noho Andriamanitra izy, ary efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana.
James 3:9Izy no isaorantsika ny Tompo, dia ny Ray; ary izy ihany koa no anozonantsika ny olona, izay natao araka ny endrik’ Andriamanitra.