Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 13:3
Ary na dia omeko hohanin’ ny malahelo aza ny fananako rehetra, ary na dia atolotro hodorana aza ny tenako, kanefa tsy manana fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ny fitiavana mahari-po sady mora fanahy; ny fitiavana tsy mialona, tsy mirehareha, tsy mieboebo,
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 13
Cross References
Jeremiah 7:8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
Matthew 6:1Tandremo mba tsy hanao ny asan’ ny fahamarinanareo eo imason’ ny olona hahitany izany; Fa raha tsy izany, dia tsy manana valim-pitia amin’ ny Rainareo Izay any an-danitra ianareo.
Matthew 23:5Ary ny asany rehetra dia ataony mba ho hitan’ ny olona; fa ataony lehibe ny fylakiterany, ary ataony vaventy ny somotraviaviny.
Luke 18:28Dia hoy Petera: Indro, izahay efa nahafoy izay nety ho anay ka nanaraka Anao.
Luke 21:3Dia hoy Izy: Lazaiko aminareo marina tokoa fa io mpitondratena malahelo io no efa nandatsaka be noho izy rehetra.
John 12:43Fa tia ny voninahitra avy amin’ ny olona izy ireo, fa tsy ny voninahitra avy amin’ Andriamanitra.