Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14:2
Fa izay miteny amin’ ny fiteny tsy fantatra dia tsy miteny amin’ olona, fa amin’ Andriamanitra; fa amin’ ny fanahy no itenenany zava-miafina, ka tsy misy olona mahalala;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
1Miezaha mitady ny fitiavana, nefa maniria fatratra ny zava-panahy koa, indrindra fa ny haminany
3fa izay maminany kosa miteny amin’ olona ho fampandrosoana sy ho famporisihana ary ho fampiononana.
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 14
Cross References
Genesis 11:7Aoka isika hidina, ka eny no hanorokoroantsika ny fiteniny, mba tsy hifankahala teny izy.
Deuteronomy 28:49Ho entin’ i Jehovah hiady aminao izay firenena avy lavitra, dia ny avy amin’ ny faran’ ny tany-tahaka ny fanidin’ ny voromahery no fihaviny, sady firenena izay tsy ho fantatrao ny fiteniny,
Psalms 49:3Na ny ambany, na ny ambony, na ny manan-karena, na ny malahelo.
Matthew 13:11Ary namaly Izy ka nanao taminy hoe: Satria ianareo no navela hahalala ny zava-miafina ny amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa ireny kosa tsy mba navela.
Mark 16:17Ary izao famantarana izao no hanaraka izay mino: hamoaka demonia amin’ ny anarako izy; hiteny amin’ ny fiteny izay tsy mbola hainy izy;
Acts 10:46Fa nandre azy niteny tamin’ ny fiteny tsy fantatra sy nankalaza an’ Andriamanitra izy. Dia namaly Petera ka nanao hoe: