Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5:13
Fa ny any ivelany dia tsarain’ Andriamanitra. Esory aminareo ilay mpanao ratsy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
But them that are without God judgeth. Therefore put away from among yourselves that wicked person.
In Context
12Fa ahoako ny hitsara ny any ivelany? Tsy ny ao anatiny va no tsarainareo?
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 5
Cross References
Deuteronomy 13:5Manaraha an’ i Jehovah Andriamanitrareo, ka aoka Izy no hatahoranareo, ary ny didiny no hotandremanareo, ary ny feony no hohenoinareo, ary aoka Izy no hotompoinareo sy hifikiranareo.
Deuteronomy 17:12Fa ny olona izay miavonavona ka tsy mihaino ny mpisorona izay mitsangana hanao fanompoam-pivavahana eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, na ny mpitsara, dia aoka ho faty izany olona izany; ka dia hofongoranao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny fanao ratsy.
Deuteronomy 22:21dia ho entiny mivoaka ho eo anoloan’ ny varavaran’ ny tranon-drainy razazavavy ka hotorahan’ ny mponina amin’ ny tanànany vato ho faty, satria nanao izay fady indrindra teo amin’ ny Isiraely izy ka nijangajanga tao an-tranon-drainy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.
Psalms 50:6Hasehon’ ny lanitra ny fahamarinany; fa Andriamanitra no Mpitsara. [Sela.]
Matthew 18:17Ary raha tsy mety mihaino ireo izy, dia ambarao amin’ ny fiangonana; ary raha tsy mety mihaino ny fiangonana koa izy, dia aoka hataonao ho tahaka ny jentilisa sy ny mpamory hetra izy.
Romans 2:16amin’ ny andro izay hitsaran’ Andriamanitra ny zavatra takona ataon’ ny olona, araka ny filazantsarako amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy.