Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7:25
Fa ny amin’ ny virijina dia tsy manana didy avy amin’ ny Tompo aho; nefa ataoko izay hevitro tahaka izay niantran’ ny Tompo ahy ho mahatoky.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 7
Cross References
Psalms 78:63Ny zatovolahiny dia lanin’ ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana.
1 Corinthians 7:6Fandeferana anefa no anaovako izany, fa tsy mandidy aho.
1 Corinthians 7:12Fa amin’ ny sisa, dia hoy izaho, fa tsy ny Tompo: Raha misy rahalahy manam-bady tsy mino, ary mety mitoetra aminy ihany ny vavy, dia aoka tsy hialany izy.
1 Corinthians 7:34Ary tsy mitovy koa ny vehivavy manam-bady sy ny virijina. Ny vehivavy tsy manam-bady mitandrina ny an’ ny Tompo, mba ho samy masìna avokoa ny tenany sy ny fanahiny; fa izay manam-bady kosa dia mitandrina ny an’ izao fiainana izao mba hahafaly ny lahy.
1 Corinthians 7:40Nefa raha araka ny hevitro, sambatra kokoa izy raha mitoetra toy izao ihany; ary ataoko fa izaho koa manana ny Fanahin’ Andriamanitra.
2 Corinthians 2:17Fa tsy mba toy ny maro izay manatsatso ny tenin’ Andriamanitra hahazoam-bola izahay; fa toy ny amin’ ny fahadiovam-po kosa, dia avy amin’ Andriamanitra sady eo anatrehan’ Andriamanitra no itenenanay ao amin’ i Kristy.