Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9:21
tamin’ izay tsy manana lalàna, dia toy izay tsy manana lalàna aho (kanefa tsy mba olona tsy manana lalàna amin’ Andriamanitra aho, fa ambanin’ ny lalàn’ i Kristy), mba hahazoako izay tsy manana lalàna;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany ho an'ny Korintiana 9
Cross References
Psalms 119:32Ny lalan’ ny didinao no ihazakazahako, Fa ampahalalahinao ny foko.
Acts 15:28Fa sitraky ny Fanahy Masìna sy izahay tsy hampitondra enta-mavesatra anareo afa-tsy izao zavatra tsy maintsy hotandremana izao ihany:
Acts 21:25Fa ny amin’ ny jentilisa izay efa mino, dia efa nampitondra epistily izahay nandidy azy hifady ny hena aterina amin’ ny sampy sy ny rà sy ny zavatra kendaina ary ny fijangajangana.
Romans 2:14fa na oviana na oviana ireo jentilisa tsy manana ny lalàna ireo no misy manao izay nandidian’ ny lalàna araka ny nahim-pony, na dia tsy manana ny lalàna aza ireo, dia lalàn-tenany ihany;
Romans 7:25Misaotra an’ Andriamanitra aho amin’ ny alalan’ i Jesosy Kristy Tompontsika. Koa raha ny amiko, dia mankatò ny lalàn’ Andriamanitra aho amin’ ny saiko, fa ny lalàn’ ny ota kosa amin’ ny nofoko.
Romans 13:8Aza avela hisy tsy voaloa na amin’ iza na amin’ iza, afa-tsy ny fifankatiavanareo ihany; fa izay tia ny namany dia efa nahatanteraka ny lalàna.