Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1:3
izay efa hitanay sy renay no ambaranay aminareo, mba hahazoanareo firaisana aminay koa; ary ny firaisanay dia amin’ ny Ray sy amin’ i Jesosy Kristy Zanany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
4Ary izao zavatra izao no soratanay, mba ho tanteraka ny fifaliantsika.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1
Cross References
Numbers 10:32Ary raha hiaraka aminay ianao, dia izay soa hataon’ i Jehovah aminay no mba hataonay aminao kosa.
Psalms 2:7“Hilaza zava-boatendry Aho; Jehovah nilaza tamiko hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka anao androany.
Isaiah 66:19Ary hasiako famantarana eo aminy, Ary izay afaka mandositra dia hirahiko ho any amin’ ny jentilisa, Dia ho any Tarsisy sy Pola ary Lydia, izay manenjana tsipìka, Ary ho any Tobala sy Javana, Dia ho any amin’ ireo nosy lavitra izay tsy mbola nandre ny lazako; Na nahita ny voninahitro, Ary hitory ny voninahitro any amin’ ny jentilisa izy.
John 17:3Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao.
John 17:21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
Acts 2:42Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.