Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1:8
Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
If we say that we have no sin, we deceive ourselves, and the truth is not in us.
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1
Cross References
Leviticus 13:12Ary raha mipoipoitra mihitsy eo amin’ ny hoditra ny habokana, ary manenika ny hoditr’ ilay marary hatramin’ ny lohany ka hatramin’ ny tongony, na aiza na aiza zahan’ ny mpisorona,
2 Kings 20:15Dia hoy izy: Ka inona avy anefa no hitany tato an-tranonao? Ary hoy Hezekia: Izay rehetra ato an-tranoko dia efa hitany avokoa: tsy misy zavatra tsy nasehoko azy ny ato amin’ ny firaketako rehetra.
Job 9:2Fantatro tokoa fa izany no izy; Fa aiza no hahamarina ny zanak’ olombelona eo anatrehan’ Andriamanitra?
Job 15:14Inona ny zanak’ olombelona no mba hadio izy? Ary izay tera-behivavy no mba ho marina?
Psalms 143:2Ary aza dia mifandahatra amin’ ny mpanomponao eo am-pitsarana; Fa tsy misy olombelona ho marina eo anatrehanao.
Ecclesiastes 7:20Fa tsy misy olona marina ambonin’ ny tany izay manao tsara ka tsy manota.