Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1:9
Raha miaiky ny fahotantsika isika, dia mahatoky sy marina Izy ka mamela ny fahotantsika sy manadio antsika ho afaka amin’ ny tsi-fahamarinana rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
8Raha hoy isika: Tsy manana ota isika, dia mamita-tena, ary ny marina tsy ato anatintsika.
10Raha hoy isika: Tsy nanota isika, dia mampandainga Azy, ary tsy ato anatintsika.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 1
Cross References
Deuteronomy 7:9Koa aoka ho fantatrao fa Jehovah Andriamanitrao ihany no Andriamanitra, dia Andriamanitra mahatoky, Izay mitandrina fanekena sy famindram-po amin’ izay tia Azy sy mitandrina ny didiny, hatramin’ ny taranaka arivo mandimby,
2 Chronicles 6:37ary mahatsiaro any amin’ ny tany nitondrana azy ho babo izy ka mibebaka sy mifona aminao any amin’ ny tany izay nitondrana azy ho babo ary manao hoe: Efa nanota izahay sady efa nanao meloka sy efa nanao ratsy,
Nehemiah 9:2Dia niavaka tamin’ ny olona hafa firenena rehetra ny taranak’ Isiraely ary nitsangana ka niaiky ny fahotany sy ny heloky ny razany.
Psalms 19:12Ary ny mpanomponao dia hazavain’ ireny; amin’ ny fitandremana azy misy valiny lehibe.
Psalms 51:2fony Natana mpaminany nankao aminy rehefa naka an’ i Batseba izy.
Isaiah 45:21Alaharo, ka asehoy mazava; Eny, aoka hiara-misaina izy: Iza no efa nanambara izany hatrizay hatrizay? Iza no efa nilaza izany hatramin’ ny fahiny? Tsy Izaho Jehovah va? Fa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho, dia Andriamanitra marina sady Mpamonjy; Eny, tsy misy afa-tsy Izaho.