Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2:15
Aza tia izao tontolo izao, na izay zavatra eo amin’ izao tontolo izao. Raha misy olona tia izao tontolo izao dia tsy ao anatiny ny fitiavana ny Ray.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2
Cross References
Matthew 6:24Tsy misy olona mahay manompo tompo roa; fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany; na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hohamavoiny. Tsy mahay manompo an’ Andriamanitra sy Mamôna ianareo.
John 15:19Raha naman’ izao tontolo izao ianareo, dia ho tia ny azy izao tontolo izao; fa satria tsy naman’ izao tontolo izao ianareo, fa Izaho efa nifidy anareo tamin’ izao tontolo izao, dia halan’ izao tontolo izao ianareo.
Galatians 1:10Ary ankehitriny, olona va no ilako fitia, sa Andriamanitra? Sa mila sitraka amin’ olona aho? Raha mbola mila sitraka amin’ olona aho, dia tsy mpanompon’ i Kristy.
Colossians 3:1Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.
James 4:4Ry mpisintaka mijangajanga, tsy fantatrareo va fa fandrafiana an’ Andriamanitra ny fisakaizana amin’ izao tontolo izao? Koa na iza na iza te-ho sakaizan’ izao tontolo izao, dia fahavalon’ Andriamanitra izy.
1 John 4:5Isan’ izao tontolo izao ireny, ka dia miteny araka ny an’ izao tontolo izao izy, ary mihaino azy izao tontolo izao.