Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2:17
Ary mandalo izao fiainana izao sy ny filany; fa izay manao ny sitrapon’ Andriamanitra no maharitra mandrakizay.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2
Cross References
Psalms 39:6Indro efa nataonao vodivoam-pelatanana ny androko, ary ny fiainako toy ny tsinontsinona eo anatrehanao. Zava-poana ihany tokoa ny olon-drehetra, na dia matanjaka aza. [Sela.]
Psalms 90:9Fa ny androanay rehetra efa lasa amin’ ny fahatezeranao; Efa laninay toy ny eritreritra ny taonanay.
Psalms 125:1Fihirana fiakarana. Izay matoky an’ i Jehovah dia tahaka ny tendrombohitra Ziona, izay tsy mihetsika, fa mitoetra mandrakizay.
Proverbs 10:25Rehefa mipaoka ny tafio-drivotra, dia tsy ao intsony ny ratsy fanahy; Fa ny marina voaorina ho mandrakizay.
Matthew 7:21Tsy izay rehetra manao amiko hoe: Tompoko, Tompoko, no hiditra amin’ ny fanjakan’ ny lanitra, fa izay manao ny sitrapon’ ny Raiko Izay any an-danitra.
Matthew 24:35Ny lanitra sy ny tany ho levona, fa ny teniko tsy mba ho levona.