Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2:24
Ary ny aminareo, dia izay efa renareo hatramin’ ny voalohany no aoka hitoetra ao anatinareo. Raha mitoetra ao anatinareo izay efa renareo hatramin’ ny voalohany, dia hitoetra ao amin’ ny Zanaka sy ny Ray kosa ianareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
23Izay rehetra mandà ny Zanaka no tsy manana ny Ray koa; izay manaiky ny Zanaka no manana ny Ray koa.
25Ary izao no teny fikasana izay nataony tamintsika, dia ny fiainana mandrakizay.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2
Cross References
Psalms 119:11Ato am-poko no iraketako ny teninao, Mba tsy hanotako aminao.
Luke 1:2araka izay efa noraisintsika natolotry ny vavolombelona izay sady nahita maso no efa mpitory ny teny hatramin’ ny voalohany:
John 8:25Dia hoy ireo taminy: Iza moa Hianao? Hoy Jesosy taminy: Ilay nolazaiko taminareo hatramin’ ny voalohany.
John 15:7Raha miray amiko ianareo, ka mitoetra ao anatinareo ny teniko, dia angataho izay tianareo na inona na inona, fa ho tonga aminareo izany.
John 17:21mba ho iray ihany izy rehetra, tahaka Anao Ray ato amiko, ary Izaho koa ao aminao, mba ho ao amintsika koa izy; mba hinoan’ izao tontolo izao fa Hianao no naniraka Ahy.
Colossians 3:16Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.