Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2:27
Ary ny aminareo, dia ilay hosotra noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’ olona ianareo; fa satria ny hosotra avy aminy no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, sady marina, fa tsy lainga izany, dia tomoera ao aminy ianareo, araka ny nampianarany anareo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
26Izany zavatra izany no voasoratro taminareo ny amin’ ny mamitaka anareo.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 2
Cross References
Leviticus 7:35Izany no anjaran’ i Arona sy ny zanany avy amin’ ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah, amin’ ilay andro ampanakekeny azy mba ho mpisorona ho an’ i Jehovah,
Jeremiah 31:33Fa izao no fanekena havoko amin’ ny taranak’ Isiraely. Rehefa afaka izany andro izany, hoy Jehovah: Dia hataoko ao an-tsainy ny lalàko sady hosoratako ao am-pony; Ary Izaho ho Andriamaniny, ary izy ho oloko.
John 8:31Dia hoy Jesosy tamin’ ny Jiosy izay nino Azy: Raha maharitra amin’ ny teniko ianareo, dia ho mpianatro tokoa;
John 14:26fa ny Mpananatra, dia ny Fanahy Masìna, Izay hirahin’ ny Ray amin’ ny anarako. Izy no hampianatra anareo ny zavatra rehetra sy hampahatsiaro anareo ny zavatra rehetra izay nolazaiko taminareo.
John 16:13Fa raha tonga ny Fanahin’ ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo ho amin’ ny marina rehetra; fa tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay ho reny dia holazainy avokoa; ary ny zavatra ho avy aza dia hambarany aminareo.
Ephesians 4:21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,