Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3:14
Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
13Aza gaga, ry rahalahy, raha halan’ izao tontolo izao ianareo.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3
Cross References
Psalms 16:3Ary ny amin’ ny olona masìna ambonin’ ny tany, ireo no olona tsara laza izay sitrako indrindra.
Matthew 25:40Dia hamaly ny Mpanjaka ka hanao aminy hoe: Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay efa nataonareo tamin’ ny anankiray amin’ ireto rahalahiko kely indrindra ireto no nataonareo tamiko.
Luke 15:24fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
John 5:24Lazaiko aminareo marina dia marina tokoa: Izay mandre ny teniko ka mino Izay naniraka Ahy no manana fiainana mandrakizay, ka tsy hohelohina; fa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana izy.
John 15:12Izao no didiko, dia ny mba hifankatiavanareo tahaka ny nitiavako anareo.
2 Corinthians 5:1Fa fantatsika fa raha ravana ny trano-laintsika etỳ an-tany, dia manana izay voarafitr’ Andriamanitra isika, dia trano tsy nataon-tanana izay maharitra mandrakizay any an-danitra.