Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3:17
Ary izay rehetra manam-pananana amin’ izao fiainana izao, ary mahita ny fahantran’ ny rahalahiny ka mihirim-belona aminy, ahoana no itoeran’ ny fitiavana an’ Andriamanitra ao anatiny?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
18Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy amin’ ny marina.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3
Cross References
Deuteronomy 15:7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;
Proverbs 19:17Izay miantra ny malahelo dia mampisambotra an’ i Jehovah, Ary izay nomeny dia honerany kosa.
Isaiah 58:7Moa tsy ny hizara ny mofonao ho an’ ny noana va, sy ny hampiantrano ny ory manjenjena, ary mba hanafianao izay hitanao mitanjaka, ka tsy hihirim-belona amin’ ny namanao ianao?
2 Corinthians 8:9Fa fantatrareo ny fahasoavan’ i Jesosy Kristy Tompontsika, fa na dia nanan-karena aza Izy, dia tonga malahelo noho ny aminareo, mba hampanan-karena anareo ny alahelony.
2 Corinthians 9:5Koa nataoko fa tsy maintsy mangataka ny rahalahy handeha hialoha ho any aminareo aho ka hahavita rahateo ny fiantranareo izay nokasainareo teo aloha, mba hovitaina toy ny fiantrana izany, fa tsy toy ny fahihirana.
Hebrews 13:16Fa aza manadino hanao soa sy hiantra; fa fanatitra toy izany no sitrak’ Andriamanitra.