Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3:19
Izany no hahafantarantsika fa avy amin’ ny marina isika sy hampahatokiantsika ny fontsika eo anatrehany,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And hereby we know that we are of the truth, and shall assure our hearts before him.
In Context
18Anaka, aoka tsy ho tia amin’ ny teny na amin’ ny lela isika, fa amin’ ny asa sy amin’ ny marina.
Read all of Epistily voalohany nosoratan'i Jaona 3
Cross References
Isaiah 32:17Ny asan’ ny fahamarinana ho fiadanana; Ary ny vokatry ny fahamarinana dia ho fiadanana sy fahatokiana mandrakizay;
John 18:37Ary hoy Pilato taminy: Mpanjaka va ary Hianao? Jesosy namaly hoe: Voalazanao fa mpanjaka Aho. Izao no nahaterahako, ary izao no nihaviako amin’ izao tontolo izao, dia ny hanambara ny marina. Izay rehetra avy amin’ ny marina dia mihaino ny feoko.
Romans 8:38Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery,
Hebrews 6:10Fa Andriamanitra tsy mba tsy marina hanadino ny asanareo sy ny fitiavana izay nasehonareo ho voninahitry ny anarany, raha nanompo ny olona masìna ianareo sady mbola manompo ihany.
Hebrews 11:13Ireo rehetra ireo dia maty tamin’ ny finoana, kanefa tsy mbola nahazo ny teny fikasana; fa nahatazana azy eny lavitra eny izy ka ravoravo niarahaba azy, dia nanaiky fa vahiny sy mpivahiny tetỳ ambonin’ ny tany izy.
1 John 3:14Fantatsika fa efa tafafindra niala tamin’ ny fahafatesana ho amin’ ny fiainana isika satria tia ny rahalahy. Izay tsy tia dia mitoetra ao amin’ ny fahafatesana ihany.