Boky faharoan'ny Mpanjaka 11:2
dia vehivavy avy amin’ ny firenena izay nolazain’ i Jehovah tamin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Tsy hanambady azy ianareo, ary izy tsy hanambady anareo, fa hampivily ny fonareo hanaraka ny andriamaniny tokoa izy; kanjo tamin’ ireo no niraiketan’ ny fitiavan’ i Solomona.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 11
Cross References
Genesis 34:3Ary ny fony dia raiki-pitia tamin’ i Dina, zanakavavin’ i Jakoba; eny, tia ny zazavavy izy, ka dia nanao teny malefaka nahafinaritra azy.
Exodus 34:16ary andrao koa haka amin’ ny zananivavy ho vadin’ ny zanakao-lahy ianao, ary hijangajanga hanaraka ny andriamaniny ny zananivavy ka hampandeha ny zanakao-lahy hijangajanga hanaraka ny andriamaniny.
Deuteronomy 7:3ary aza mifanambady anaka aminy: ny zanakao-vavy tsy homenao ho vadin’ ny zananilahy, ary ny zananivavy tsy halainao ho vadin’ ny zanakao-lahy.
Judges 3:6Ary naka ny zanakavavin’ ireny ho vadiny izy sady nanome ny zananivavy ho vadin’ ny zanakalahin’ ireny ka nanompo ny andriamaniny.
1 Kings 16:31Fa nataony ho zavatra kely foana ny handeha amin’ ny fahotan’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata, ka dia nampakatra an’ i Jezebela, zanakavavin’ i Etibala, mpanjakan’ ny Sidoniana, izy ho vadiny, dia nandeha nanompo an’ i Bala ka niankohoka teo anatrehany.
2 Chronicles 21:6Ary nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy, dia tahaka ny nataon’ ny taranak’ i Ahaba fa zanakavavin’ i Ahaba no vadiny, eny, nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy.