Boky faharoan'ny Mpanjaka 11:24
Dia namory olona maro ho ao aminy izy ka tonga kapiteniny tamin’ ny namonoan’ i Davida ny olona tany Zoba; ary nankany Damaskosy izy sy ny namany ka nitoetra sy nanjaka tao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 11
Cross References
Genesis 14:15Dia nitokotoko hamely azy nony alina izy sy ny andevolahiny; dia namely azy izy ka nanenjika azy hatrany Hoba, izay ao avaratr’ i Damaskosy.
2 Samuel 10:6Ary nony hitan’ ny taranak’ i Amona fa efa mangidy hoditra eo anatrehan’ i Davida izy, dia naniraka nanakarama ny Syriana any Beti-rehoba sy ny Syriana any Zoba izy, dia miaramila an-tongotra roa alina, ary tamin’ ny mpanjakan’ i Maka, olona arivo lahy, ary tamin’ ny olona tany Toba, roa arivo sy iray alina.
2 Samuel 10:18Ary vaky nandositra teo anoloan’ ny Isiraely ny Syriana, ka nahafaty ny tao an-kalesy fiton-jato sy ny an-tsoavaly efatra alina tamin’ ny Syriana Davida sady namely an’ i Sobaka koa, ilay komandin’ ny miaramila, ka nahafaty azy teo.
1 Kings 19:15Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin’ ny nalehanao ho any amin’ ny efitr’ i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan’ i Syria;
Acts 9:2ka nangataka taratasy taminy ho any amin’ ny synagoga any Damaskosy, mba ho entiny mifatotra ho any Jerosalema izay rehetra hitany momba izany fampianarana izany, na lahy na vavy.