Boky faharoan'ny Mpanjaka 12:20
Ary rehefa ren’ ny Isiraely rehetra fa efa tafaverina indray Jeroboama, dia naniraka naka azy ho ao amin’ ny fivoriana izy ka nampanjaka azy tamin’ ny Isiraely rehetra; dia tsy nisy nanaraka ny taranak’ i Davida afa-tsy ny firenen’ i Joda ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Ka dia niodina tamin’ ny taranak’ i Davida ny Isiraely mandraka androany.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 12
Cross References
2 Samuel 20:2Ka dia samy niara-nandao an’ i Davida ny lehilahy amin’ ny Isiraely ka nanaraka an’ i Seba, zanak’ i Bikry; fa ny lehilahy amin’ ny Joda no nifikitra tamin’ ny mpanjakany hatrany Jordana ka hatrany Jerosalema.
1 Kings 11:32(nefa ny firenena iray dia i mbola havela ho azy ihany noho ny amin’ i Davida mpamompoko sy Jerosalema, tanàna izay nofidiko tamin’ ny firenen’ Isiraely),
1 Kings 11:36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
1 Kings 12:17Fa ny Zanak’ Isiraely izay nonina tany an-tanànan’ ny Joda ihany no nanjakan-dRehoboama.