Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:1
Ary, indro, nisy lehilahin’ Andriamanitra avy tany Joda tonga tany Betela noho ny tenin’ i Jehovah, raha mbola nitsangana teo anilan’ ny alitara handoro ditin-kazo manitra Jeroboama.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
1 Samuel 2:27Ary nisy lehilahin’ Andriamanitra nankany amin’ i Ely ka nanao taminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Tsy efa niseho tokoa tamin’ ny ankohonan-drainao va Aho, raha mbola tany Egypta tao an-tranon’ i Farao izy?
1 Kings 12:32Ary Jeroboama, nanendry andro firavoravoana tamin’ ny andro fahadimy ambin’ ny folo amin’ ny volana fahavalo, tahaka ny andro firavoravoana tamin’ ny Joda ihany, ka nanatitra fanatitra teo ambonin’ ny alitara izy. Toy izany no nataony tao Betela, fa namono zavatra hatao fanatitra ho an’ ireo ombilahy kely izay nataony izy; ary nampitoeriny tao Betela ireo mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay notendreny.
1 Kings 13:5Dia nitresaka koa ny alitara, ka nikorotsaka ny lavenona teo amboniny, araka ny fahagagana Izay nasehon’ ilay lehilahin’ Andriamanitra noho ny tenin’ i Jehovah.
1 Kings 13:26Ary nony nandre izany ilay mpaminany izay namerina azy tany an-dalana, dia hoy izy: Ilay lehilahin’ Andriamanitra nandà ny tenin’ i Jehovah izay; fa natolotr’ i Jehovah ny liona izy ka noviravirainy sy novonoiny araka ny tenin’ i Jehovah, izay efa nolazainy taminy.
1 Kings 20:35Ary nisy lehilahy anankiray, zanaky ny mpaminany, niteny tamin’ ny namany araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Masìna ianao asio aho. Fa tsy nety namely azy ilay lehilahy.
2 Chronicles 9:29Ary ny tantaran’ i Solomona sisa, na ny voalohany na ny farany, tsy efa voasoratra va izany ao amin’ ny bokin’ i Natana mpaminany sy amin’ ny faminanian’ i Ahia Silonita sy amin’ ny fahitan’ Ido mpahita ny amin’ i Jeroboama, zanak’ i Nebata?