Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:18
Fa hoy kosa izy taminy: Izaho koa mba mpaminany tahaka anao ihany; ary nisy anjely nilaza tamiko araka ny tenin’ i Jehovah nanao hoe: Ento miverina hiaraka aminao ho any an-tranonao izy hihinan-kanina sy hisotro rano. Kanjo laingany izany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
19Dia niverina niaraka taminy izy ka nihinan-kanina sy nisotro rano tao an-tranony.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Genesis 3:4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
Genesis 27:24Ary hoy izy: Hianao tokoa moa no Esao zanako? Dia hoy izy: Izaho no izy.
Judges 6:11Dia tonga Ilay Anjelin’ i Jehovah ka nipetraka teo ambanin’ ny hazo terebinta teo Ofra, izay an’ i Joasy Abiezrita; ary Gideona zanany nively vary tamin’ ny fantàka teo anilan’ ny famiazam-boaloboka mba hafeniny amin’ ny Midiana.
1 Kings 22:22Dia hoy izy: Hivoaka aho ka ho tonga fanahy mandainga ao am-bavan’ ny mpaminaniny rehetra. Dia hoy indray Jehovah: Ho voataonanao ihany izy, ka hahatanteraka ianao; mivoaha ary, ka ataovy izany.
Jeremiah 5:12Nahafoy an’ i Jehovah izy ka nanao hoe: Tsy Izy no izy; Tsy hisy loza hanjo antsika, ary tsy hahita sabatra na mosary isika;
Jeremiah 23:14Ary tamin’ ny mpaminanin’ i Jerosalema koa no nahitako zavatra mahatsiravina; Mijangajanga sy mandeha araka ny lainga izy sady mampahery ny tanan’ ny mpanao ratsy, ka samy tsy miala amin’ ny faharatsiany; Eny, izy rehetra dia tonga tahaka an’ i Sodoma raha amiko, ary ny mponina ao dia tonga tahaka an’ i Gomora.