Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:2
Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Deuteronomy 32:1Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ ny vavako!
2 Kings 22:1Valo taona Josia, fony vao nanjaka, ary iraika amby telo-polo taona no nanjakany tany Jerosalema. Ary ny anaran-dreniny dia Jedida, zanakavavin’ i Adaia, avy any Bozkata.
2 Kings 23:16Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
2 Chronicles 34:4Ary noravan’ ny olona teo anatrehan’ i Josia ny alitaran’ ireo Bala; ary ny tsangan-kazo ho an’ ny masoandro izay teo amboniny dia nokapainy; ary ny Aseraha sy ny sarin-javatra voasokitra mbamin’ ny sarin-javatra an-idina dia novakivakiny sy notorotoroiny ho vovoka ka nafafiny teny amin’ ny fasan’ ireo efa namono zavatra hatao fanatitra ho azy.
Isaiah 1:2Mandrenesa, ry lanitra, ary mihainoa, ry tany, Fa Jehovah no miteny hoe: Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, Kanjo niodina tamiko ireo.
Isaiah 44:26Ary mahatò ny tenin’ ny mpanompoko sy mahatanteraka ny saina atolotry ny irako, ary manao amin’ i Jerosalema hoe: Honenana ianao, sy amin’ ny tanànan’ ny Joda hoe: Hatsangana ianareo, ka hamboariko izay rava eo,