Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:32
fa tsy maintsy ho tanteraka ilay teny nantsoiny noho ny tenin’ i Jehovah nilaza ny loza ho tonga amin’ ny alitara ao Betela sy amin’ ny trano rehetra eny amin’ ny fitoerana avo izay any an-tanànan’ i Samaria.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
1 Kings 12:29Ary ny anankiray dia napetrany tao Betela, fa ny anankiray kosa dia tao Dana.
1 Kings 13:2Ary ilay lehilahin’ Andriamanitra niantso ny alitara araka ny tenin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ry alitara ô, ry alitara ô! izao no lazain’ i Jehovah: Indro, hisy zaza hateraka ho an’ ny taranak’ i Davida, Josia no ho anarany; ary hovonoiny ka hateriny eo amboninao ny mpisorona amin’ ny fitoerana avo izay mandoro ditin-kazo manitra eo amboninao, ary taolan’ olona no hodorana eo amboninao.
2 Kings 23:16Ary nitodika Josia ka nahita ny fasana teny an-tendrombohitra, dia naniraka naka ny taolana tao am-pasana, ary nodorany teo ambonin’ ny alitara ireny nandotoany azy, araka ny tenin’ i Jehovah, izay notorin’ ilay lehilahin’ Andriamanitra.
Ezra 4:10mbamin’ ny firenena sisa izay nentin’ i Asnapara lehibe sady malaza ho babo, ka namponeniny tany an-tanàna Samaria sy tany amin’ ny tany sasany etỳ an-dafin’ ny ony etỳ......