Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:33
Rehefa afaka izany, Jeroboama dia tsy mbola niala tamin’ ny lalan-dratsiny ihany, fa mbola naka tamin’ ny ankabiazam-bahoaka ho mpisorona amin’ ny fitoerana avo; koa na iza na iza tia izany dia natokany, mba ho tonga mpisorona amin’ ny fitoerana avo.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Exodus 28:41Ary ataovy amin’ i Arona rahalahinao sy ny zanany koa ireo; dia manosora azy sy manokana azy ary manamasìna azy, mba ho mpisorona ho Ahy izy.
Numbers 3:10Ary Arona sy ny zananilahy hotendrenao hitandrina ny fisoronany; fa raha olon-kafa no manakaiky, dia hatao maty izy.
Numbers 17:12Dia nalain’ i Arona izany, araka izay nandidian’ i Mosesy, ka nihazakazaka ho eo afovoan’ ny fiangonana izy; ary, indro, efa niantomboka teo amin’ ny olona ny areti-mandringana; ary nandoro ny ditin-kazo manitra teo izy ka nanao fanavotana ho an’ ny olona.
1 Kings 12:31Ary nanao trano teny amin’ ny fitoerana avo izy sady nanendry olona hafa ho mpisorona, izay tsy isan’ ny taranak’ i Levy.
2 Chronicles 13:9Tsy efa noroahinareo va ny mpisoron’ i Jehovah, dia ny taranak’ i Arona, sy ny levita, ka nanendry mpisorona ho anareo tahaka ny fanaon’ ny firenena amin’ ny tany hafa ianareo? ka na zovy na zovy mitondra vantotr’ ombilahy sy ondrilahy fito hanokanana ny tenany, dia izy no tonga mpisorona amin’ ireo tsi-Andriamanitra.
2 Chronicles 28:22Ary tamin’ ny andro nampahoriana azy dia mbola nanao izay nahadiso amin’ i Jehovah ihany io Ahaza mpanjaka io.