Boky faharoan'ny Mpanjaka 13:4
Ary nony ren’ i Jeroboama mpanjaka ny tenin’ ny lehilahin’ Andriamanitra izay niantso ny alitara tao Betela, dia naninjitra ny tànany niala tamin’ ny alitara izy ka nanao hoe: Hazony ilehio. Dia maty iny tànany nahinjiny nanondro azy iny ka tsy azony noketrahina intsony.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 13
Cross References
Genesis 19:11Dia nampanjambena ny mason’ ny lehilahy izay teo am-baravaran’ ny trano izy hatramin’ ny kely ka hatramin’ ny lehibe; ka dia sasa-poana nitady ny varavarana ireo.
1 Kings 22:27ka lazao hoe: Izao no lazain’ ny mpanjaka: Ataovy ao an-trano-maizina ilehity, ka fahano mofom-pahoriana sy ranom-pahoriana izy mandra-pahatongako soa aman-tsara.
2 Chronicles 16:10Dia tezitra tamin’ ilay mpahita Asa ka nanao azy tao an-trano-maizina; fa nisafoaka aminy indrindra izy noho izany. Ary ny olona sasany koa dia nampahorin’ i Asa tamin’ izay.
2 Chronicles 25:15Dia nirehitra tamin’ Amazia ny fahatezeran’ i Jehovah, ka naniraka mpaminany anankiray ho any aminy Izy hanontany azy, hoe: Nahoana ianao no mitady ny andriamanitry ny firenena, izay tsy naharo ny olony tamin’ ny tananao aza?
Jeremiah 20:2dia namely an’ i Jeremia mpaminany sady namatotra azy tamin’ ny boloky hazo izay teo am-bavahadin’ i Benjamina, dia ilay eo ambony, eo anilan’ ny tranon’ i Jehovah.
Jeremiah 26:20Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin’ ny anaran’ i Jehovah, dia Oria, zanak’ i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin’ ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon’ i Jeremia izany koa.