Boky faharoan'ny Mpanjaka 14:23
Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 14
Cross References
Leviticus 26:1Aza manao andriamani-tsi-izy; ary aza manangana sarin-javatra voasokitra, na manao tsangambaton-tsampy na manorina vato soratana hiankohofana eo amin’ ny taminareo: fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
Deuteronomy 16:22Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.
1 Kings 3:3Ary Solomona tia an’ i Jehovah ka nizotra araka ny dian’ i Davida rainy; nefa kosa izy mbola namono zavatra hatao fanatitra sy nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo ihany.
1 Kings 14:15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin’ ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin’ ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an’ i Jehovah.
2 Kings 16:4Ary namono zavatra hatao fanatitra izy sady nandoro ditin-kazo manitra teny amin’ ny fitoerana avo sy teny amin’ ny havoana ary teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra.
2 Kings 17:10Ary nanangana tsangam-bato-tsampy sy Aseraha ho azy teny amin’ ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin’ ny hazo maitso rehetra izy;