Boky faharoan'ny Mpanjaka 15:11
Ary Asa nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah toy ny nataon’ i Davida rainy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And Asa did that which was right in the eyes of the LORD, as did David his father.
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 15
Cross References
1 Kings 15:3Ary nandeha tamin’ ny fahotana rehetra nataon-drainy izy, dia izay nataony teo alohany; ary ny fony tsy mba nahitsy tamin’ i Jehovah Andriamaniny tahaka ny fon’ i Davida rainy.
2 Kings 12:3Ary Joasy nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah tamin’ ny androny rehetra izay nanoloran’ i Joiada mpisorona saina azy.
2 Kings 15:3Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka izay rehetra nataon’ i Amazia rainy;
2 Kings 22:2Ary nanao izay mahitsy eo imason’ i Jehovah kosa izy ka nandeha tamin’ izay rehetra nalehan’ i Davida rainy, fa tsy mba nivily, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.
2 Chronicles 14:2fa nandrava ny alitaran’ ny firenena hafa sy ny fitoerana avo izy sady nanorotoro ny tsangam-baton-tsampy ary nikapa ny Aseraha.
2 Chronicles 15:17Fa ny fitoerana avo tsy mba noravana tamin’ ny Isiraely; nefa nahitsy ny fon’ i Asa tamin’ ny androny rehetra.