Boky faharoan'ny Mpanjaka 15:4
Nefa noho ny amin’ i Davida dia nomen’ i Jehovah Andriamaniny fanilo tany Jerosalema ihany izy, fa natsangany handimby azy ny zanany, sady nampaharitra an’ i Jerosalema Izy,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 15
Cross References
Genesis 12:2dia hahatonga anao ho firenena lehibe Aho sady hitahy anao sy hahalehibe ny anaranao; ary ho fitahiana tokoa ianao;
Genesis 26:5satria efa nihaino ny feoko Abrahama ka nitandrina izay nasaiko notandremany, dia ny didiko sy ny teniko ary ny lalàko.
2 Samuel 7:12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin’ ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
1 Kings 11:12Kanefa kosa tsy hataoko amin’ ny andronao izany noho ny amin’ i Davida rainao; fa rehefa mby amin’ ny zanakao vao hendahako aminy.
1 Kings 11:36Fa firenena iray no homeko ny zanany, mba hisy fanilo ho an’ i Davida mpanompoko eo anatrehako mandrakariva any Jerosalema, tanàna izay nofidiko ho Ahy hametrahana ny anarako.
Psalms 18:28Fa Hianao mamonjy ny olona ory; ary ny maso miandranandrana kosa aetrinao.