Boky faharoan'ny Mpanjaka 17:1
Ary Elia Tisbita, isan’ ny nivahiny tany Gileada, nilaza tamin’ i Ahaba hoe: Raha velona koa Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Izay itsanganako eo anatrehany, dia tsy hisy ando na ranonorana akory amin’ izao taona izao, raha tsy araka ny teniko ihany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
2Ary ny tenin’ i Jehovah tonga taminy nanao hoe:
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 17
Cross References
Deuteronomy 10:8Tamin’ izany andro izany no nanokana an’ i Jehovah ny firenen’ i Levy hitondra ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah sy hijanona eo anatrehan’ i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin’ ny anarany mandraka androany.
1 Kings 8:35Raha mihantona ny andro ka tsy misy ranonorana noho ny nanotan’ ny olona taminao, ka mivavaka manatrika ity fitoerana ity izy ka manaiky ny anaranao sady miala amin’ ny fahotany, satria ampahorinao,
1 Kings 18:10Raha velona koa Jehovah Andriamanitrao, dia tsy misy firenena na fanjakana izay tsy nanirahan’ ny tompoko hitady anao; ary raha hoy ny olona: Tsy ato izy, dia nampianianiny izany firenena sy fanjakana izany raha tsy nahita anao izy.
1 Kings 22:14Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
2 Kings 3:14Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an’ i Josafata, mpanjakan’ ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
2 Kings 5:16Fa hoy izy: Raha velona koa Jehovah, Izay itsanganako eo anatrehany, tsy handray mihitsy aho. Ary nanery azy handray izy; fa tsy nety Elisa.