Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:21
Ary dia nankeo amin’ ny olona rehetra Elia ka nanao hoe: Mandra-pahoviana no hiroa saina ianareo? Raha Jehovah no Andriamanitra, manaraha Azy; fa raha Bala kosa, dia manaraha azy. Fa ny olona tsy namaly azy akory.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18
Cross References
Genesis 44:16Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin’ itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon’ itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy.
Deuteronomy 4:35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.
Joshua 24:23Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
1 Kings 18:39Ary raha nahita izany ny olona rehetra, dia niankohoka ka nanao hoe: Jehovah, Izy no Andriamanitra; Jehovah, Izy no Andriamanitra.
1 Chronicles 17:26Ary noho izany, Jehovah ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin’ ny mpanomponao,
Job 40:4Indro, tsinontsinona, aho ka inona no azoko avaly Anao? Hitampim-bava aho izao.