bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:35
Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:35
Ary ny rano nikorotsaka nanodidina ny alitara; ka nofenoiny rano koa ny hady kely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
And the water ran round about the altar; and he filled the trench also with water.
In Context
34dia nanao hoe: Fenoy rano ny siny efatra, ka aidino amin’ ny fanatitra dorana sy amin’ ny kitay hazo. Dia hoy koa izy: Ataovy indray izany. Dia nataony indray. Ary hoy koa izy: Ataovy indray koa izany. Ary dia nataony indray koa.
36Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nanatona Elia mpaminany ka nanao hoe: Jehovah ô. Andriamanitr’ i Abrahama sy Isaka ary Isiraely, aoka ho fantatra anio fa Hianao no Andriamanitra amin’ ny Isiraely, ary izaho no mpanomponao, ary araka ny teninao no efa nanaovako izao zavatra izao.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 18
Cross References
1 Kings 18:38Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
This Verse In Other Editions
Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 18:35