Boky faharoan'ny Mpanjaka 19:12
ary manarakaraka ny horohorontany nisy afo; nefa Jehovah tsy tao amin’ ny afo; ary manarakaraka ny afo nisy feo nitsoka malemy.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 19
Cross References
Exodus 3:2Ary Ilay Anjelin’ i Jehovah niseho taminy teo anaty lelafo teo amin’ ny roimemy anankiray; dia nijery izy, ka, indro, nirehitra afo ny roimemy, kanefa tsy nahalevonana.
Deuteronomy 4:11Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.
Deuteronomy 4:15Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;
1 Kings 18:38Dia latsaka ny afon’ i Jehovah ka nandevona ny fanatitra dorana sy ny kitay hazo sy ny vato ary ny vovoka sady nandritra ny rano tao amin’ ny hady kely.
2 Kings 2:11Ary raha mbola nandeha sy niresaka izy roa lahy, dia, indro, nisy kalesy afo sy soavaly afo nampisaraka azy roa lahy; ary Elia niakatra tamin’ ny tafio-drivotra ho any an-danitra.
Job 33:7Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao.