Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:13
Ary Adonia, zanakalahin’ i Hagita, nankany amin’ i Batseba, renin’ i Solomona. Ary hoy ravehivavy: Moa fihavanana va no ahatongavanao? Dia hoy izy: Eny, fihavanana.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary hoy koa izy: Misy teny kely holazaiko aminao. Ary hoy ravehivavy: Lazao ary.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
1 Samuel 16:5Ary hoy izy: Fihavanana; avy hamono zavatra hatao fanatitra ho an’ i Jehovah aho; hamasino ny tenanareo, ary andeha hiaraka amiko ho any amin’ ny fanatitra. Dia nohamasininy Jese sy ny zanany ka nasainy ho any amin’ ny fanatitra.
1 Kings 1:10fa Natana mpaminany sy Benaia sy ny lehilahy mahery ary Solomona rahalahiny no tsy mba nasainy.
1 Kings 1:50Ary Adonia koa natahotra an’ i Solomona, dia niainga ka lasa nangia ny tandroky ny alitara.
1 Chronicles 12:17Ary Davida nivoaka hitsena azy ka niteny taminy hoe: Raha fihavanana no ihavianareo atỳ amiko hanampy ahy, dia hikambana isika; fa raha avy hamadika ahy kosa ianareo ho azon’ ny fahavaloko, nefa tsy mba nanao an-keriny ny tanako, dia Andriamanitry ny razantsika no hijery sy hamaly izany.