Boky faharoan'ny Mpanjaka 2:3
Ary tandremo izay asain’ i Jehovah Andriamanitrao hotandremana handehananao amin’ ny lalany hitandremanao ny lalàny sy ny didiny sy ny fitsipiny ary ny teni-vavolombelony, araka ny voasoratra ao amin’ ny lalan’ i Mosesy, mba hataonao lavorary avokoa izay rehetra hataonao sy izay rehetra halehanao,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 2
Cross References
Deuteronomy 4:5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.
Deuteronomy 4:45Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,
Deuteronomy 6:1Ary izao no lalàna, dia ny didy sy ny fitsipika, izay nasain’ i Jehovah Andriamanitrareo hampianarina anareo mba harahinareo any amin’ ny tany izay alehanareo holovana,
Deuteronomy 17:20mba tsy hiavonavonan’ ny fony amin’ ny rahalahiny, ary mba tsy hiviliany hiala amin’ ny lalàna, na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia, mba ho maro andro amin’ ny fanjakany eo amin’ ny Isiraely; izy sy ny taranany.
Deuteronomy 29:9Hianareo rehetra miseho eto anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan’ ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin’ ny Isiraely,
Joshua 22:5Kanefa mitandrema tsara mba hanaraka ny didy sy ny lalàna izay nandidian’ i Mosesy, mpanompon’ i Jehovah, anareo, hitiavanareo an’ i Jehovah Andriamanitrareo sy handehananareo amin’ ny lalany rehetra sy hitandremanareo ny didiny sy hifikiranareo aminy ary hanompoanareo Azy amin’ ny fonareo rehetra sy ny fanahinareo rehetra.