Boky faharoan'ny Mpanjaka 20:39
Ary nony nandalo ny mpanjaka, dia nitaraina taminy ilay mpaminany ka nanao hoe: Izaho mpanomponao nankany anatin’ ny ady; ary, indro, nisy lehilahy anankiray nivily ka nitondra lehilahy tany amiko sady nanao hoe: Hazony ity lehilahy ity; fa raha tahìny lasa izy, dia ny ainao no hisolo ny amy, na handoa talenta volafotsy iray ianao.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 20
Cross References
Judges 9:7Ary nisy nilaza izany tamin’ i Jotama, dia nandeha izy ka nitsangana teo an-tampon’ ny tendrombohitra Gerizima, ary nanandratra ny feony ka niantso hoe: Mihainoa, ahy ianareo mponina ao Sekema mba hihainoan’ Andriamanitra anareo kosa.
2 Samuel 14:5Ary hoy ny mpanjaka taminy: Inona no nanjo anao? Dia hoy izy: Vehivavy mpitondra tena tokoa aho, fa maty vady.
2 Kings 10:24Ary nony niditra hanatitra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà izy, Jeho kosa dia nametraka valo-polo lahy teo ala-trano ka nanao hoe; Raha misy afa-mandositra ny olona izay nentiko ho eto an-tananareo, izay mamela azy handeha, dia ny ainy no hisolo ny ainy.
Psalms 49:7Dia izay matoky ny hareny, Sy mirehareha amin’ ny haben’ ny fananany?
Proverbs 13:8Ny haren’ ny olona dia avotry ny ainy; Fa ny levilevy tsy mampiraika ny malahelo akory.
1 Peter 1:18fa fantatrareo fa tsy zavatra mety ho simba, tahaka ny volafotsy sy ny volamena, no nanavotana anareo tamin’ ny fitondran-tena adala, izay azonareo tamin’ ny nentin-drazana,