Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:19
Koa mitenena aminy hoe: Izao no Jazain’ i Jehovah: Efa namono va ianao ka efa naka ho anao koa? Ary ianao dia hiteny aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah: Ao amin’ ny tany izay nilelafan’ ny alika ny ran’ i Nabota no hilelafan’ ny alika ny rànao, dia ny rànao tokoa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 21
Cross References
Genesis 3:11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
Judges 1:7Ary hoy Adoni-bezeka: Mpanjaka fito-polo voatapaka ny ankihiben-tànany sy ny ankihiben-tongony no nitsindroka hanina teo ambanin’ ny latabatro; ka mba tahaka ny nataoko ihany lahy ity no navalin’ Andriamanitra ahy! Ary nentin’ ireo ho any Jerosalema izy ka maty tany.
2 Samuel 12:11Izao koa no lazain’ i Jehovah: Indro, Izaho efa hahatonga loza aminao avy ao amin’ ny ankohonanao ihany; ary hesoriko eo imasonao ny vadinao ka homeko ny namanao; ary izy handry amin’ ny vadinao amin’ izao antoandrobenanahary izao.
2 Kings 6:32Fa Elisa nipetraka tao an-tranony, ary ny loholona nipetraka tao aminy; ary ny mpanjaka naniraka olona avy teo aminy; fa raha tsy mbola tonga tany amin’ i Elisa iny iraka iny, dia hoy izy tamin’ ny loholona: Hitanareo va ny nanirahan’ ity zanaky ny mpamono olona ity hanapaka ny lohako? Izahao, ka raha avy ny iraka, dia arindrino ny varavarana, ary atoseho mafy hisakana azy; tsy eo aoriany koa va ny fingadongadon’ ny tongotry ny tompony?
2 Kings 10:7Ary nony efa tonga tany amin’ ireo ny taratasy, dia naka ny zanakalahin’ ny mpanjaka izy ka namono azy fito-polo lahy, ary nataony tao an-tsobiky ny lohany ka nateriny tany amin’ i Jeho tany Jezirela.
Esther 7:10Ary Hamana dia nahantony tamin’ ilay hazo efa natsangany hanantonana an’ i Mordekay. Dia vao izay no nionona ny hatezeran’ ny mpanjaka.