Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:26
Ary izy nanao vetaveta loatra tamin’ ny nanarahany ny sampy, dia tahaka izay rehetra nataon’ ny Amorita, izay noroahin’ i Jehovah teo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 21
Cross References
Leviticus 18:25Ary efa maloto ny tany, ka dia hamaly azy Aho noho ny helony, ary haloan’ ny tany ny mponina eo.
Leviticus 20:22Ary tandremo ny didiko rehetra sy ny fitsipiko rehetra, ka araho izy, mba tsy handoa anareo ny tany izay itondrako anareo honenana.
Joshua 23:9Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo Jehovah; ary dia tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
2 Kings 16:3fa nandeha tamin’ ny lalan’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izy; eny, ny zananilahy aza dia nampamakiny ny afo, araka ny fahavetavetan’ ny jentilisa izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Kings 21:2Ary nanao izay ratsy eo imason’ i Jehovah izy tahaka ny fahavetavetan’ ny firenena izay noroahin’ i Jehovah tsy ho eo anoloan’ ny Zanak’ Isiraely.
2 Chronicles 15:8Ary raha ren’ i Asa izany teny izany sy ny faminanian’ i Odeda mpaminany, dia niezaka izy ka nanaisotra ny sampy fahavetavetana tamin’ ny tanin’ ny Joda sy ny Benjamina rehetra ary tamin’ ny tanàna izay azony tany amin’ ny tany havoan’ i Efraima, sady nanavao ny alitaran’ i Jehovah izay teo anoloan’ ny lavarangana fidirana amin’ ny tranon’ i Jehovah.