Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:4
Ary Ahaba nankany an-trano sady malahelo no sosotra noho ny teny nolazain’ i Nabota Jezirelita taminy hoe: Tsy homeko anao ny tanindrazako. Dia nandry teo am-parafarany izy ka nampihodina ny tavany sady tsy nety nihinan-kanina.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 21
Cross References
Numbers 22:13Dia nifoha maraina koa Balama, ka nanao tamin’ ireo andriandahin’ i Balaka hoe: Andeha mody any amin’ ny taninareo; fa tsy avelan’ i Jehovah handeha hiaraka aminareo aho.
2 Samuel 13:4Ka hoy izy taminy: Nahoana ianao, ry zanaky ny mpanjaka, no mihamahia isan’ andro isan’ andro? Tsy tianao hambara amiko va izany? Dia hoy Amnona taminy: Tia an’ i Tamara, anabavin’ i Absaloma rahalahiko, aho.
1 Kings 21:3Fa hoy Nabota tamin’ i Ahaba: Sanatria amiko eo anatrehan’ i Jehovah izany! fa tsy homeko anao any tanin-drazako.
Job 5:2Fa ny adala dia vonoin’ ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin’ ny fialonana.
Ecclesiastes 7:8Tsara ny iafaran’ ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavanavom-panahy.
Jonah 4:1Fa tsy sitrak’ i Jona indrindra izany, ka nirehitra ny fahatezerany.