The Bible Software
bible.software › Boky faharoan'ny Mpanjaka › Boky faharoan'ny Mpanjaka 21 › Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:8

Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:8

Ary Jezebela dia nanoratra taratasy tamin’ ny anaran’ i Ahaba, ka notombohiny tamin’ ny fanombohan-kasen’ andriana, ary ny taratasy dia nampitondrainy ho any amin’ ny loholona sy ny manan-kaja tao an-tanànany, dia ireo niara-nitoetra tamin’ i Nabota.

Baiboly Malagasy (1865)

In The King James Version

So she wrote letters in Ahab’s name, and sealed them with his seal, and sent the letters unto the elders and to the nobles that were in his city, dwelling with Naboth.

In Context

7Ary hoy Jezebela vadiny taminy: Moa ianao tokoa va no manjaka amin’ ny Isiraely izao? Miarena, mihinàna hanina, ary aoka ho ravoravo ny fonao; izaho hanome anao ny tanim-boalobok’ i Nabota Jezirelita.

9Ary izao no nosoratany tao amin’ ny taratasy: Miantsoa andro fifadian-kanina, ary apetraho eo anatrehan’ ny olona Nabota.

Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 21

Cross References

Numbers 11:16Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Manangòna fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely ho etỳ amiko, dia izay fantatrao ho loholona amin’ ny fireneny sy mpifehy azy; ary ento miaraka aminao ho ao amin’ ny trano-lay fihaonana izy.

Deuteronomy 21:1Raha tahìny misy maty novonoin’ olona hita miampatra any an-tsaha amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana, ary tsy fantatra izay nahafaty azy,

Ruth 4:11Dia hoy ny vahoaka rehetra izay teo amin’ ny vavahady sy ny loholona: Eny, vavolombelona izahay; hataon’ i Jehovah tahaka an’ i Rahely sy tahaka an’ i Lea anie izay vehivavy efa ho tonga ao an-tranonao; fa izy roa vavy no nanangana ny tranon’ ny Isiraely; ary aoka ho lehibe any Efrata anie ianao, ary halaza any Betlehema anie ny anaranao;

1 Kings 20:7Ary ny mpanjakan’ ny Isiraely nampaka ny loholona rehetra amin’ ny tany ka nanao hoe: Masìna ianareo, fantaro sy izahao fa mila sotasota mihitsy ilehiny; fa efa naniraka tatỳ amiko izy haka ny vadiko aman-janako mbamin’ ny volafotsiko sy ny volamenako ka tsy nolaviko.

2 Kings 10:1Ary nisy zanak’ i Ahaba fito-polo lahy tany Samaria. Ary Jeho nanoratra taratasy ka nampitondra iny ho any Samaria any amin’ ny mpanapaka any Jezirela dia ho any amin’ ny loholona sy ny mpitaiza ny zanak’ i Ahaba nanao hoe:

2 Chronicles 32:17sady nanoratra taratasy hihaika an’ i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, sy hiteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tahaka ny tsy nahavonien’ ireny andriamanitry ny firenena tany amin’ ny tany hafa ny olony tamin’ ny tanako no tsy hahavonjen’ ny Andriamanitr’ i Hezekia ny olony koa amin’ ny tanako.

This Verse In Other Editions

King James VersionBíblia Portuguesa MundialLuther Bibel (Deutsch)Bible Louis Segond (Français)Библия (Русский)新标点和合本성경 (한국어)الكتاب المقدس باللغة العربية، فان دايكBibbia Diodati (Italiano)Kinh Thánh (Tiếng Việt)Biblia Cornilescu (Română)Polish Biblia Gdanska (1881)Statenvertaling (Nederlands)

Study Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:8

Matthew HenryJamieson-Fausset-BrownAdam ClarkeJohn WesleyJohn CalvinKeil and DelitzschScofieldFamily Bible NotesGeneva Bible Notes (1599)
← Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:7Boky faharoan'ny Mpanjaka 21Boky faharoan'ny Mpanjaka 21:9 →