Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:13
Ary ilay iraka izay nandeha naka an’ i Mikaia niteny taminy hoe: Indro fa efa iray teny avokoa izao ny mpaminany ka milaza soa ho an’ ny mpanjaka; masìna ianao, aoka re ny teninao mba ho tahaka ny an’ ny anankiray amin’ ireo, ka mba mitenena soa koa.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
14Ary hoy Mikaia: Raha velona koa Jehovah, dia izay lazain’ i Jehovah amiko ihany no hambarako.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Psalms 11:1Ho an’ ny mpiventy hira. Nataon’ i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin’ ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely?
Psalms 50:21Izany no nataonao, nefa nangina ihany Aho, ka dia nataonao fa mitovy aminao ihany Aho! Hananatra anao Aho ka handahatra izany eo imasonao.
Hosea 7:3Amin’ ny faharatsiany no ampifaliany ny mpanjaka, ary amin’ ny laingany ny mpanapaka.
Micah 2:6Aza miteniteny ianareo, hoy ny fiteniteniny; Aoka tsy hiteniteny ny amin’ ireto izy, Tsy hita lany ny fanalam-baraka ataony!
1 Corinthians 2:14Fa ny olona izay araka ny nofo ihany dia tsy mba mandray izay an’ ny Fanahin’ Andriamanitra; fa fahadalana aminy izany sady tsy azony, satria araka ny Fanahy no amantarana izany.