Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:36
Ary nony efa hilentika ny masoandro, dia niely eran’ ny toby rehetra izao antsoantso izao hoe: Samia mody any an-tanànany avy sy any amin’ ny taniny avy!
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
37Dia maty ny mpanjaka, ka nentina tany Samaria izy, dia nalevina tao.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
Judges 7:7Ary hoy Jehovah tamin’ i Gideona: Ny telon-jato lahy izay nilelaka rano no hamonjeko anareo ka hanolorako ny Midiana eo an-tananao; fa aoka ny olona sisa rehetra samy hody any amin’ ny fonenany avy.
1 Samuel 4:10Ary niady ny Filistina, dia resy ny Isiraely, ka samy nandositra ho any an-dainy avy izy rehetra, ary be dia be no maty, dia lehilahy telo alina mandeha an-tongotra tamin’ ny Isiraely no niampatrampatra.
1 Kings 12:16Ary nony hitan’ ny Isiraely rehetra fa tsy nihaino azy ny mpanjaka, dia namaly ny mpanjaka ny vahoaka ka nanao hoe: Inona moa no anjaranay amin’ i Davida? Tsy manana lova amin’ ny zanak’ i Jese izahay; samia mody any an-dainy avy, ry Isiraely e; ankehitriny tandremo ny taranakao, ry Davida ô. Dia samy nody ho any an-dainy avy ny Isiraely.
1 Kings 22:17Dia hoy Mikaia Hitako fa indreny ny Isiraely rehetra niely teny an-tendrombohitra toy ny ondry tsy misy mpiandry, ary hoy Jehovah: Ireto efa tsy manan-tompo, aoka izy samy hody soa aman-tsara any an-tranony avy.
2 Kings 14:12Dia resy teo anoloan’ ny Isiraely ny Joda, ka samy nandositra ho any amin’ ny lainy avy izy.