Boky faharoan'ny Mpanjaka 22:39
Ary ny tantaran’ i Ahaba sisa mbamin’ izay rehetra nataony sy ny trano ivory izay nataony ary ny tanàna rehetra izay naoriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
40Ary Ahaba lasa nodi-mandry any amin’ ny razany; ary Ahazia zanany no nanjaka nandimby azy.
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 22
Cross References
1 Kings 10:22Fa ny mpanjaka nanana sambon’ i Tarsisy mbamin’ ny sambon’ i Hirama teny ambonin’ ny ranomasina; ary indray mandeha amin’ ny telo taona no nihavian’ ny sambon’ i Tarsisy nitondra volamena sy volafotsy sy ivory sy rajako ary vorombola.
1 Kings 15:23Ary ny tantaran’ i Asa sisa rehetra sy ny heriny rehetra mbamin’ izay rehetra nataony ary ny tanàna izay nataony, tsy voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Joda va izany? Nefa kosa tamin’ ny andro fahanterany dia narary tamin’ ny tongony izy.
1 Kings 16:5Ary ny tantaran’ i Basa sisa mbamin’ izay nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
1 Kings 16:27Ary ny tantaran’ i Omry sisa mbamin’ izay nataony sy ny heriny izay nasehony, tsy efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely va izany?
2 Kings 15:15Ary ny tantaran’ i Saloma sisa mbamin’ ny nikomiany, indro fa efa voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny tantaran’ ny mpanjakan’ ny Isiraely izany.
Ezekiel 27:6Oka avy any Basana no nanaovany ny fivoinao; hazo bokso avy any amin’ ny moron-dranomasin’ i Kitima no nataony fipetrahan’ ny mpivoinao sady nasiany parike ivory.