Boky faharoan'ny Mpanjaka 7:49
ary ny fanaovan-jiro, dimy amin’ ny ankavanana ary dimy amin’ ny ankavia, teo anoloan’ ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 7
Cross References
Exodus 25:23Ary manaova latabatra hazo akasia: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.
Exodus 37:17Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.
Exodus 40:24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.
2 Chronicles 4:7Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin’ ny tempoly, dimy teo amin’ ny ankavanana, ary dimy teo amin’ ny ankavia.
Zechariah 4:1Ary niverina ilay anjely niresaka tamiko ka namoha ahy toy ny olona fohazina amin-tory.
Matthew 5:14Hianareo no fahazavan’ izao tontolo izao. Tsy azo afenina izay tanàna miorina eo an-tampon-tendrombohitra.