Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:22
Ary Solomona nitsangana teo anoloan ny alitaran’ i Jehovah teo anatrehan’ ny fiangonana, dia ny Isiraely rehetra, ka namelatra ny tànany nanandrify ny lanitra
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Exodus 9:33Ary Mosesy niala teo amin’ i Farao ka nankeo ivelan’ ny tanàna, dia namelatra ny tànany tamin’ i Jehovah, ka dia nitsahatra ny kotrokorana sy ny havandra, ary tsy nisy ranonorana nilatsaka tamin’ ny tany intsony.
1 Kings 8:54Ary rehefa vita izany vavaka sy fifonana vehetra nataon’ i Solomona tamin’ i Jehovah: any, dia nitsangana niala teo amin’ ny alitaran’ i Jehovah izay efa nandohalehan’ ny lohaliny sy efa namelarany ny tànany ho amin’ ny lanitra izy.
2 Kings 23:3Ary ny mpanjaka nitsangana teo amin’ ny fitoeran’ andriana, dia nanao fanekena teo anatrehan’ i Jehovah hanaraka Azy sy hitandrina ny lalàny sy ny teni-vavolombelony ary ny didiny amin’ ny fony rehetra sy ny fanahiny rehetra, hankatò ny tenin’ ny fanekena sy izay voasoratra ao amin’ izany boky izany. Ary ny vahoaka rehetra koa dia mba nanaiky ny fanekena.
Ezra 9:5Ary nony tamin’ ny fotoan’ ny fanatitra hariva dia nody ny aiko, ka nitsangana aho, sady nandriatra ny lambako sy ny akanjoko indray, dia nandohalika nanandratra ny tanako ho amin’ i Jehovah Andriamanitro aho
Psalms 28:2Mihainoa ny feon’ ny fifonako, raha mitaraina aminao aho, raha manandratra ny tanako ho amin’ ny fitoeranao masìna indrindra aho.
Isaiah 1:15Raha mananty tanana ianareo, Dia hitampi-maso tsy hijery anareo Aho; Eny, na dia manao vavaka be aza ianareo, dia tsy hihaino Aho; Feno ran’ olona ny tananareo.