Boky faharoan'ny Mpanjaka 8:6
Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima,
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 8
Cross References
Exodus 26:33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.
Exodus 40:20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.
2 Samuel 6:2Dia niainga Davida sy ny olona rehetra izay nanaraka azy ka niala tany Bala-joda hampakatra ny fiaran’ Andriamanitra izay niantsoana ny anaran’ i Jehovah, Tompon’ ny maro, Izay mipetraka amin’ ny kerobima.
1 Kings 6:19Nanisy efitra anatiny tao anatin’ ny trano izy hametrahany ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah.
1 Kings 8:4ary dia nampakariny ny fiaran’ i Jehovah sy ny trano-lay fihaonana mbamin’ ny fanaka masìna rehetra izay tao amin’ ny lay. Nampakarin’ ny mpisorona sy ny Levita ireo zavatra ireo.
2 Chronicles 5:7Ary ny fiaran’ ny faneken’ i Jehovah dia nampidirin’ ny mpisorona ho ao amin’ ny fitoerany tao anatin’ ny efi-trano anatiny, dia ny fitoerana masìna indrindra, teo ambanin’ ny elatry ny kerobima;