Boky faharoan'ny Mpanjaka 9:21
dia ny taranany izay sisa nandimby azy teo amin’ ny tany, izay tsy azon’ ny Isiraely naringana avokoa, no nampanaovin’ i Solomona fanompoana mandraka androany.
Baiboly Malagasy (1865)
In The King James Version
In Context
Read all of Boky faharoan'ny Mpanjaka 9
Cross References
Genesis 9:25Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon’ ny rahalahiny izy.
Joshua 16:10Ary tsy nandroaka ny Kananita izay nonina tany Gazera izy; fa monina eo amin’ i Efraima ny Kananita mandraka androany ka ampanaovina fanompoana.
Joshua 17:16Dia hoy ny taranak’ i Josefa: Tsy ampy ho anay ny tany havoana; ary manana kalesy vy ny Kananita rehetra, izay monina any amin’ ny tany lemaka, dia izay any Beti-sana sy ny zana-bohiny ary izay any amin’ ny tany lemaka Jezirela.
Judges 1:27Ary Manase tsy nahafaka an’ i Beti-sana sy ny zana-bohiny, na Tanaka sy ny zana-bohiny, sady tsy naharoaka ny mponina tany Dora sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Ibleama sy ny zana-bohiny, na ny mponina tany Megido sy ny zana-bohiny, satria tian’ ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
Judges 2:20Dia nirehitra tamin’ ny Isiraely ny fahatezeran’ i Jehovah, ka hoy Izy: Satria nivadika ny fanekeko izay nandidiako ny razany ity firenena ity ka tsy nihaino ny feoko,
1 Kings 9:15Ary izao no toetry ny fanompoana nampanaovin’ i Solomona mpanjaka ny olona, tamin’ ny nanaovany ny tranon’ i Jehovah sy ny lapan’ andriana ary Milo sy ny màndan’ i Jerosalema, sy Hazora sy Megido ary Gazera